Exodus 20:12-17

12Manaja ny rainao sy ny reninao mba ho maro andro ianao ao amin’ ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao ho anao. 13Aza mamono olona. 14Aza mijangajanga. 15Aza mangalatra. 16Aza mety ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namanao. 17Aza mitsiriritra ny tranon’ ny namanao; aza mitsiriritra ny vadin’ ny namanao, na ny ankizilahiny, na ny ankizivaviny, na ny ombiny, na ny borikiny, na izay mety ho an’ ny namanao akory aza.
Copyright information for Mg1865