Isaiah 39

Ny nandraisan’ i Hezekia ny iraky ny mpanjakan’ i Babylona, sy ny teny nolazain’ Isaia noho izany

1Tamin’ izany andro izany no nampitondran’ i Merodaka-baladana, zanak’ i Baladana, mpanjakan’ i Babylona, taratasy sy fanomezana ho an’ i Hezekia; fa efa reny fa narary izy ka sitrana. 2Ary dia faly Hezekia noho izany ka nampiseho azy ny trano fitehirizany zava-tsoa, dia volafotsy sy volamena sy zava-manitra ary menaka tsara, sy ny trano fitehirizana ny fiadiany rehetra mbamin’ izay rehetra tao amin’ ny firaketany; tsy nisy zavatra tsy nasehon’ i Hezekia azy, na ny tao an-tranony, na ny tao amin’ ny fanjakany rehetra. 3Dia nankany amin’ i Hezekia mpanjaka mpaminany ka nanao taminy hoe: Ahoana no nolazain’ ireo olona ireo, ary avy taiza nihaviany hankatỳ aminao? Ary hoy Hezekia: Nankaty amiko avy tany an-tany lavitra izy, dia avy tany Babylona. 4Dia hoy izy: Ka inona avy anefa no hitany tato ananonao? Ary hoy Hezekia: Izay rehetra an-tranoko dia efa hitany avokoa; tsy nisy zavatra tsy nasehoko azy ny ao amin’ ny firaketako rehetra. 5Ary hoy Isaia tamin’ i Hezekia: Henoy ny tenin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: 6Indro, avy ny andro, ka ho entina ho any Babylona izay rehetra ao an-tranonao sy izay rehetra noharin’ ny razanao ka voatahiry mandraka androany; eny, tsy hisy sisa hijanona inona na inona, hoy Jehovah. 7Ary na dia terakao aza dia hisy ho entiny koa, ka ho tandonaka
Heb ionoka.
any amin’ ny lapan’ ny mpanjakan’ i Babylona ireo.
8Dia hoy Hezekia tamin’ Isaia: Tsara ny tenin’ i Jehovah izay nolazainao. Ary hoy koa izy: Eny, hisy fiadanana amin’ ny androko handry fahizay.
Copyright information for Mg1865