Isaiah 66:1-2

Ny toe-panahin’ ny tena Isiraely sy ny fandavana ny tsy izy, ary ny fandrosoan’ ny Fiangonana sy ny hamoriana ny firenena rehetra hankany Jerosalema, ary ny handringanana ny ratsy fanahy

1Izao no lazain’ i Jehovah: Ny lanitra no seza fiandrianako, Ary ny tany no fitoeran-tongotro; Trano manao ahoana no hataonareo ho Ahy? Ary fitoerana manao ahoana no ho fitsaharako? 2Fa izao zavatra izao no nataon’ ny tanako. Ka dia ary izao rehetra izao, hoy Jehovah; Nefa izao no olona hotsinjoviko, Dia izay malahelo sy torotoro fanahy Sady mangovitra noho ny teniko.
Copyright information for Mg1865