Job 17

1Efa ho ritra ny aiko; Efa milopilopy ny androko; Efa miandry ahy ny fasana. 2Eny, fanesoana tokoa no manodidina ahy, ary tsy maintsy mijery ny filany ady amiko aho. 3Masìna Hianao, aoka ny tenanao ihany no hiantoka ahy aminao; Fa iza moa no hety hiantoka ahy? 4Fa ny fon’ ireto dia voahidinao tsy hidiran’ ny fahalalana; koa izany no tsy hanandratanao azy. 5Izay manolotra ny sakaizany ho babo, dia ho pahina kosa ny mason’ ny zanany. 6Ary efa nanao ahy ho ambentinteny amin’ ny firenena Izy, ka rorany mandrakariva ny tavako. 7Efa pahina ny masoko noho ny alahelo; Ary efa toy ny aloka ny momba ny tenako rehetra. 8Ankona noho izany ny olona mahitsy, ary ny tsy manan-tsiny mihendratra mahita ny mpihatsaravela-tsihy. 9Fa ny marina mifikitra tsara amin’ ny halehany, ary izay madio tanana no hitombo hery. 10Avia avokoa indray ary ianareo rehetra tsy mahita izay olon-kendry eo aminareo aho. 11Mihelina ny androko, voaongotra ny fikasako. Dia izay hevitra fikirin’ ny foko indrindra; 12Ny alina ataon’ ireny ho antoandro, ary ny mazava ho efa akaiky, nefa tamy ihany ny maizina. 13Raha mbola misy antenaiko, dia ny fiainan-tsi-hita
Heb Sheola.
fonenako ihany; Ao amin’ ny maizina no hamelarako ny fandriako.
14Ny fasana
Na: Ny fahalòvana.
no nantsoiko hoe: Raiko ianao; Ary ny kankana: Reniko sy anabaviko ianao.
15Fa aiza ary ny fanantenako? Ary iza no mahita azy? 16Midìna any amin’ ny vavahadin’ ny fiainan-tsi-hita
Heb Sheola.
izany, raha mba hahita fitsaharana ao amin’ ny vovoka aho.
Copyright information for Mg1865