Job 37

1Eny, izany no mampitepotepo ny foko ka mampiemponempona azy hiala amin’ ny fitoerany. 2Mihainoa dia mihainoa ny fikotrokotroky ny feony sy ny rohona izay mivoaka avy amin’ ny vavany. 3Mandefa izany ho eny ambanin’ ny lanitra rehetra Izy, ary ny helatra
Heb fahazavany.
hatramin’ ny faran’ ny tany.
4Manarakaraka izany, dia misy feo mirohondrohona; Mampikotrokotroka ny feon’ ny fahalehibiazany Izy, ka rehefa re ny feony, dia tsy sakanany ny helatra. 5Mahagaga ny fikotrokotrok’ Andriamanitra amin’ ny feony; Manao zava-dehibe tsy takatry ny saintsika Izy. 6Fa ny oram-panala baikoiny hoe: Milatsaha eny ambonin’ ny tany ianao; Ary toy izany koa ny ranonorana mivatravatra, eny, dia ny ranonorany mivatravatra mafy. 7Mampiohona
Heb manisy tombo-kase.
ny tanan’ ny olona rehetra Izy, mba samy hahalala izany ny olona rehetra izay nataony;
8Ary miditra ao am-piereny koa ny bibidia ka mamitsaka ao an-davany. 9Avy any atsimo
Heb efi-trano.
ny tadio, ary entin’ ny rivotra avy any avaratra
Heb avy amin’ ireo mpanahakahaka.
ny hatsiaka.
10Ny fofonain’ Andriamanitra mahamisy ranomandry, ka voageja ny rano malalaka. 11Ny rahona matevina tambesarany rano, ary ny rahon’ ny helatra
Heb fahazavany.
dia ampieleziny;
12Dia mihodinkodina araka ny fitarihany azy ireo hanatanteraka izay rehetra andidiany azy eny ambonin’ ny tany eran’ izao tontolo izao
Na: Eny ambonin’ izao tontolo izao ho amin’ ny tany.
,
13Na alatsany ho famaizana raha tokony ho an’ ny taniny izany na ho famindram-po kosa
Na: alatsany ho famaizana, na hahasoa ny taniny, na ho famindram-po.
.
14Mihainoa izany, ry Joba; Mijanona, ka mba diniho ny fahagagana ataon’ Andriamanitra. 15Fantatrao va ny fanamboaran’ Andriamanitra ireny sy ny fampitselatselany ny helatry
Heb fahazavany.
ny rahony?
16Fantatrao va ny fihevahevan’ ny rahona matevina, dia ny fahagagana avon’ Ilay tanteraka amin’ ny fahalalana? 17Hianao izay mahatsiaro ny fitafianao ho mafana, raha migaingaina ny andro azon’ ny rivotra avy any atsimo, 18Moa ianao niara-nanao taminy va, raha namelatra ny habakabaka Izy, izay mitoetra mafy toy ny zavatra manganohano natao an-idina? 19Mba ampianaro anay ary izay holazainay aminy; Fa tsy hitanay izay halahatray noho ny aizina, 20Holazaina aminy va, raha miteny aho? Moa misy olona maniry ho levona
Heb miteny ta-hatelina.
tokoa va?
21Tsy hita ankehitriny ny mazava, Izay mamirapiratra any amin’ ny rahona: Nefa raha mandalo ny rivotra, dia mampisava azy ihany izany. 22Avy any avaratra no ihavian’ ny mazava mitarehim-bolamena
Heb ihavian’ ny volamena.
; Ao amin’ Andriamanitra ny voninahitra mahatahotra.
23Ny Tsitoha, tsy mahita Azy isika; Izay lehibe amin’ ny hery sy ny fitsarana mbamin’ ny fahamarinana tanteraka dia tsy mba mampahory
Na: mamaly.
.
24Koa izany no atahoran’ ny olona Azy; Tsy mety mijery izay manao azy ho hendry
Heb ny hendry am-po; na: Tsy misy mahita Azy ny hendry am-po rehetra.
Izy.
Copyright information for Mg1865