Psalms 56

Fangataham-pamonjena amin’ Andriamanitra sy fahatokiana Azy any am-pandosirana

Ho an’ ny mpiventy hira. Al-jonathelem-rehokim. Miktama nataon’ i Davida, fony nisambotra azy tany Gata ny Filistina.

1

2Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, fa misafoaka manenjika ahy ny olona; miady amiko mandrakariva izy ka mampahory ahy. 3Misafoaka manenjika mandrakariva ny mpampahory ahy; maro tokoa no mirehareha miady amiko. 4Amin’ ny andro atahorako no itokiako Anao. 5Andriamanitra no iderako ny teniny; Andriamanitra no itokiako, ka tsy mba hatahotra aho; inona no hataon’ ny nofo amiko? 6Manimba ny raharahako mandra-kariva ireny
Na: Mamily ny teniko mandrakariva ireny.
; ny heviny rehetra dia ny hanisy ratsy ahy ihany.
7Miangona izy, miery izy, mitsongo-dia ahy izy, satria mikendry ny aiko. 8Amin’ izany faharatsiany izany moa hisy hahafahany va
Na: Ny faharatsiana no atao-ny ho famonjena azy.
? Aripaho amin’ ny fahatezeranao ny firenena. Andriamanitra ô.
9Manisa ny firenireneko Hianao; ataovy ao an-tavoahanginao ny ranomasoko; tsy eo amin’ ny bokinao va ireny? 10Amin’ izay dia hiamboho ny fahavaloko amin’ ny andro hiantsoako Anao; izao dia fantatro, fa momba ahy Andriamanitra. 11Andriamanitra no iderako ny teniny; Jehovah no iderako ny teniny. 12Andriamanitra no itokiako; ka tsy mba hatahotra aho; inona no hataon’ ny olona amiko? 13Nivoady taminao aho, Andriamanitra ô, dia hanatitra fanati-pisaorana ho Anao. 14Fa efa nanafaka ny fanahiko tamin’ ny fahafatesana Hianao; eny, nanafaka ny tongotro Hianao mba tsy ho solafaka. Handehanako eo anatrehan’ Andriamanitra amin’ ny fahazavan’ ny velona
Na: fahazavan’ aina.
.
Copyright information for Mg1865