1 Kings 4

Ny amin’ ny mpanao raharaham-panjakana, ary ny voninahitr’ i Solomona sy ny fahendreny

1Ary nanjaka tamin’ ny Isiraely rehetra Solomona mpanjaka. 2Ary izao no lehibe tao aminy: Azaria, zanak’ i Zadoka, no mpisorona
Na: zanak’ i Zadoka mpisorona.
;
3Elihorefa sy Ahia, zanak’ i Sisa, no mpanoratra; Josafata zanak’ i Ahiloda, no mpitadidy ny raharaha-mpanjakana; 4ary Benaia, zanak’ i Joiada, no komandin’ ny miaramila; ary Zadoka sy Abiatara no mpisorona; 5ary Azaria, zanak’ i Natana, no lehiben’ ny olona voatendry; ary Zaboda, zanak’ i Natana, no mpanolotsaina
Heb mpisorona.
, sakaizan’ ny mpanjaka,
6ary Ahisara no lehiben’ ny tao an-dapa; ary Adonirama, zanak’ i Abda, no komandin’ ny mpanao fanompoana. 7Ary Solomona nanendry roa ambin’ ny folo lahy ho amin’ ny Isiraely rehetra hiadidy ny zavatra rehetra nilain’ ny mpanjaka sy ny ankohonany; samy niadidy ny iray volana avy amin’ ny herintaona izy. 8Ary izao no anarany: Beni-hora tany amin’ ny tany havoan’ i Efraima; 9Beni-dakera tao Makaza sy tao Salbima sy Beti-semesy ary Elon-beti-hanana; 10Beni-haseda tao Arobota; Soko sy ny tany Hefera rehetra no azy; 11Ben’ abinadaba tao amin’ ny havoan’ i Dora rehetra (Tafata, zanakavavin’ i Solomona, no vadiny); 12Bana, zanak’ i Ahiloda; azy Tanaka sy Megido ary Beti-sana rehetra, izay anilan’ i Zaretana, ambanin’ i Jezirela, hatrany Beti-sana ka hatrany Abela-mehola, dia hatrany ankoatr’ i Jokneama no azy. 13Beni-gabera tao Ramota-gileada; ny tanàna madinika an’ i Jaïra
Havota-jaïra; izahao Nom 32. 41 .
, zanak’ i Manase, izay any Gileada, no azy; azy koa ny tany Argoba, izay any Basana, dia tanana enim-polo lehibe nisy manda sy hidy varahina;
14Ahinadaba, zanak’ Ido, tany Mahanaima; 15Ahimaza tany Naftaly; izy kosa nanambady an’ i Basemata, zanakavavin’ i Solomona; 16Bana, zanak’ i Hosay, tany Asera sy Alota; 17Josafata, zanak’ i Paroa, tany Isakara; 18Simey, zanak’ i Ela, tany Benjamina; 19Gabera, zanak’ i Ory, tany amin’ ny tany Gileada, tanin’ i Sihona, mpanjakan’ ny Amorita, sy Oga, mpanjakan’ i Basana; ary izy ihany no voatendry ho amin’ izany tany izany. 20Ary ny Joda sy ny Isiraely dia maro, tahaka ny fasika amoron-dranomasina ny hamarony, sady mihinana sy misotro ary mifaly.

Copyright information for Mg1865