2 Chronicles 3

Ny nanaovana ny tempoly sy ny fanaka momba azy

1Ary Solomona nanomboka nanao ny tranon’ i Jehovah tany Jerosalema, tao an-tendrombohitra Moria, ilay nisehoan’ i Jehovah tamin’ i Davida rainy, dia ilay namboarina teo amin’ ny fitoerana nofidin’ i Davida teo amin’ ny famoloan’ i Araona Jebosita. 2Ary nanomboka nanao ny trano izy tamin’ ny andro faharoa tamin’ ny volana faharoa tamin’ ny taona fahefatra nanjakany. 3Ary toy izao no nanorenan’ i Solomona ny tranon’ Andriamanitra: Ny lavany, raha araka ny hakiho taloha, dia enim-polo hakiho, ary ny sakany roa-polo hakiho. 4Ary ny amin’ ny lavarangana fidirana izay teo anoloany, ny lavany dia roa-polo hakiho, dia araka ny sakan’ ny trano ihany, ary ny hahavony dia roa-polo amby zato hakiho; ary nopetahany takela-bolamena tsara ny ao anatiny. 5Ary ny ati-trano lehibe nopetahany hazo kypreso, dia vao nopetahany takela-bolamena tsara ireo ary noravahany hazo rofia
palma.
sy tongalika.
6Ary noravahany vato soa koa ny trano; ary ny volamena dia volamena avy any Parvaima. 7Ary nopetahany takela-bolamena ny trano, dia ny rairainy sy ny tokonany sy ny rindriny ary ny lela-varavarany; ary nosoratany nasiany sarin’ ny kerobima ny rindrina. 8Ary nanao ny efi-trano masìna indrindra izy: ny lavany dia roa-polo hakiho mifanerana amin’ ny sakan’ ny trano, ary roa-polo hakiho koa ny sakany; ary nopetahany takela-bolamena tsara talenta enin-jato izy 9Ary ny lanjan’ ny hombo volamena dia sekely dimam-polo. Ary ny efi-trano ambony nopetahany volamena koa. 10Ary tao amin’ ny efi-trano masìna indrindra dia nasiany sarin’ ny kerobima roa, ary nosokiriny no nanaovany azy, dia nopetahany takela-bolamena. 11Ny halavan’ ny elatry ny kerobima dia roa-polo hakiho: ny elatry ny anankiray dia dimy hakiho, mipaka amin’ ny rindrina; ary ny elany iray koa dimy hakiho sady mifanendry amin’ ny elatry ny kerobima anankiray; 12ary ny elatry ny kerobima anankiray koa dia dimy hakiho, mipaka amin’ ny rindrina; ary ny elany iray koa dimy hakiho sady mifanendry amin’ ny elatry ny kerobima anankiray. 13Nivelatra ny elatr’ ireo kerobima ireo, ka roa-polo hakiho ny halavany; nijoro tamin’ ny tongony, tarehiny nanatrika ny trano. 14Ary izy nanao ny efitra lamba tamin’ ny manga sy volomparasy sy jaky sy rongony fotsy madinika; ary nataony sarin’ ny kerobima ny sorany. 15Ary nanao andry roa teo anoloan’ ny trano izy; dimy amby telo-polo hakiho ny hahavony, ary ny kapitaly teo an-tampony dia dimy hakiho ary. 16Ary nanao tongalika tao amin’ ny efitra anatiny izy, ka nataony teo an-tampon’ ny andry ireo; ary nanao sarin’ apongaben-danitra zato izy, ka nataony teo amin’ ny tongalika ireo. 17Ary ny andry natsangany teo anoloan’ ny tempoly, ny iray tamin’ ny ankavanana, ary ny iray tamin’ ny ankavia; ary ny anaran’ ny teo amin’ ny ankavanana nanao ny hoe Jakina
Jakina = Hampiorina izy.
, ary ny anaran’ ny teo amin’ ny ankavia kosa natao hoe Boaza
Boaza = Ao aminy no misy hery (?)
.

Copyright information for Mg1865