Isaiah 18

Ny haneken’ ny Etiopiana an’ i Jehovah noho ny handrenesany ny nandringanana ny Asyriana

1Indrisy ny tany be fibiziziokan’ elatra! Izay any an-dafin’ ny onin’ i Etiopia, 2Izay mampandeha iraka eny ambonin’ ny ranomasina, ao anaty lakan-jozoro ambonin’ ny rano, ka manafatra azy hoe: Mandehana, ry iraka faingam-pandeha, ho any amin’ ny firenena lava tsanganana
Na: ela fiainana.
sady mandimandina, any amin’ ny olona mahatahotra hatreto ka hatrany hatrany
Na: hatramin’ ny niandohany ka mandraka ankehitriny.
, dia firenena mpanao teny tsy valiana
Na: matanjaka indindra; na: mahery mamaritra tany ho azy.
sady maherisetra
Heb manitsakitsaka.
, izay vakin’ ny ony maro ny taniny.
3Ry mponina rehetra amin’ izao tontolo izao sy mpitoetra etỳ ambonin’ ny tany! Raha misy faneva atsangana eo an-tampon-tendrombohitra, dia mijere ianareo, ary raha misy anjomara tsofina, dia mihainoa. 4Fa izao no nolazain’ i Jehovah tamiko hangina Aho aloha ka hijery eto amin’ ny fitoerako, raha mbola mipoaka tsara ny hainandro, ary misy
Na: Toy ny hainandro mipoaka tsara sy ny.
zavona
Heb rahon’ ando.
amin’ ny hainandro fararano.
5Fa raha mbola tsy tonga ny fararano, rehefa tapitra ny fitsimohany, ka efa mby am-boany ny voniny, dia horantsanany amin’ ny fanetezam-boaloboka ny rantsany, ary hotapahiny sy hesoriny ny sakeliny. 6Dia hafoy avokoa izy ho an’ ny vorona mpihaza eny an-tendrombohitra sy ho an’ ny biby eny ambonin’ ny tany; ary ny vorona mpihaza handany fahavaratra any; Ary ny biby rehetra ambonin’ ny tany handany ririnina any. 7Amin’ izany andro izany dia hisy fanomezana ho entina ho an’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, dia firenena lava tsanganana
Na: ela fiainana.
sady mandimandina, ary avy amin’ ny firenena mahatahotra hatreto ka hatrany
Na: hatramin’ ny niandohany ka mandraka ankehitriny.
hatrany dia firenena mpanao teny tsy valiana
Na: matanjaka indrindra; na: mahary mamaritra tany ho azy.
sady maherisetra
Heb manitsakitsaka.
, Izay vakin’ ny ony maro ny taniny ho ao amin’ ny fitoeran’ ny anaran’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, dia ny tendrombohitra Ziona.
Copyright information for Mg1865