Isaiah 21

Faminaniana ny amin’ ny loza hanjo an’ i Babylona

1Faminaniana ny amin’ ny loza hanjo ny Efitra Ranobe
Heb Ranomasina.
. Tahaka ny firimorimon’ ny tadio any atsimo no fihaviny avy any an-efitra, dia avy any amin’ ny tany mahatahotra.
2Misy fahitana mampahory naseho tamiko: Ny mpamitaka mamitaka, ary ny mpandringana mandringana. Iakaro, ry Elama ô! ekeo, ry Media ô! Hatsahatro ny fisentoana rehetra. 3Ary raha nahita izany aho, dia feno fanaintainana ny valahako; Fijalijaliana no nahazo ahy tahaka ny fijalijalian’ ny vehivavy raha miteraka; Niolanolana fatratra aho ka tsy nandre izany; Toran-kovitra aho ka tsy nahita izany. 4Niemponempona ny foko, nampahatahotra ahy ny horohoro; Ny hariva fahafinaretako nampodiny ho fangovitako. 5Velarina ny latabatra, miambina
Na: velarina ny tsihy.
ny mpiambina, mihinana sy misotro ny olona mitsangàna, ianareo lehibe, ka hosory ny ampinga!
6Fa izao no nolazain’ i Jehovah tamiko: Mandehana, manendre tily; Ka izay hitany no aoka holazainy. 7Dia nahita izy ka indreo mpitaingina manao andiany mandeha tsiroaroa sy boriky andiany ary rameva andiany. Ary nihaino izy, eny, nihaino dia nihaino; 8Dia niantso nanao feon-diona izy ka nanao hoe: Tompo ô! izaho mijanona mandrakariva eto ambonin’ ny fitazanako nony antoandro, Ary mitoetra eto amin’ ny fiambenako aho mandritra ny alina; 9Koa, indreo, avy ny olona andiany, mpitaingina mandeha tsiroaroa; Ary nanandratra ny feony izy ka nanao hoe: Rava, rava Babylona! Ary ny sarin’
Heb sarin-javatra voasokitra.
ny andriamaniny rehetra dia voatorotoro miraraka amin’ ny tany.
10Ry ahy voavely toy ny vary teo am-pamoloako ô
Heb zanaky ny famoloako.
! Izay efa reko tamin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, no nambarako taminareo.

Faminaniana ny amin’ ny loza hanjo an’ i Edoma

11Faminaniana ny amin’ ny loza hanjo an’ i Edoma
Heb Doma.
. Misy miantso ahy any Seïra manao hoe: Ry mpiambina ô, toy inona alina moa izao? Ry mpiambina ô, toy inona alina moa izao?
12Dia hoy ny mpiambina: Avy ny maraina, avy koa ny alina; Raha mbola ta-hanontany ianareo, dia manontania ihany; ka avia, miverena
Na: avia indray.
.

Faminaniana ny amin’ ny loza hanjo an’ i Arabia

13Faminaniana ny amin’ ny loza hanjo an’ i Arabia. Any an’ ala any Arabia no andrianareo, ry andian’ ny Dedanita. 14Itondrana rano ny mangetaheta; Ny mponina amin’ ny tany Tema mitsena hanina ny mandositra; 15Fa mandositra ny sabatra ireo, dia ny sabatra voatsoaka sy ny tsipìka voahenjana ary ny havesatry ny ady. 16Fa izao no nolazain’ i Jehovah tamiko: Ato anatin’ ny herintaona, tahaka ny taonan’ ny mpikarama, dia ho levona avokoa ny voninahitr’ i Kedara; 17Ary ny tsipìka sisa izay; an’ ny lehilahy mahery, taranak’ i Kedara, dia ho vitsy foana, fa Jehovah Andriamanitry ny Isiraely, ao efa niteny.
Copyright information for Mg1865