Job 25

Ny teny fanintelony nataon’ i Bilidada

1Dia namaly Bildada Sohita ka nanao hoe. 2Fanapahana sy fampahatahorana no ao aminy, manao fihavanana any amin’ ny avo Izy. 3Azo isaina va ny miaramilany? Ary fahazavan’ iza no tsy ihoaran’ ny Azy
Na: Amin’ iza no tsy iposahan’ ny fahazavany?
?
4Ary aiza no hahamarina ny zanak’ olombelona eo anatrehan’ Andriamanitra? Ary aiza no hadio izay tera-behivavy? 5Indro, ny volana aza tsy mangarangarana, ary ny kintana aza tsy madio eo imasony; 6Koa mainka fa ny olombelona, izay kankana, ary ny zanak’ olombelona, izay olitra.
Copyright information for Mg1865