Numbers 36

Lalàna ny amin’ ny hanambadian’ ny zazavavy mandova zara-tany

1Dia nanatona ny lohan’ ny fianakaviana tamin’ ny fokon’ ny taranak’ i Gileada, zanak’ i Makira, zanak’ i Manase, avy tamin’ ny fokon’ ny taranak’ i Josefa, ka niteny teo anatrehan’ i Mosesy sy ny lehibe, lohan’ ny fianakaviana tamin’ ny Zanak’ Isiraely, ka nanao hoe: 2Hianao, tompokolahy, efa nodidian’ i Jehovah hizara ny tany amin’ ny filokana ho an’ ny Zanak’ Isiraely; ary ianao, tompokolahy, efa nodidian’ i Jehovah hanome ny zara-tanin’ i Zelofada rahalahinay ho an’ ny zananivavy. 3Koa raha manambady ny zanakalahin’ ny firenena sasany amin’ ny Zanak’ Isiraely ireo, dia hesorina amin’ ny an’ ny razanay ny zara-taniny ka hanampy ny zara-tanin’ ny firenena izay hatoniny, dia hesorina amin’ ny zara-taninay izay azonay tamin’ ny filokana izany. 4Ary raha tonga ny Jobilin’ ny Zanak’ Isiraely, ny zara-taniny dia hanampy ny an’ ny firenena izay hatoniny, ary ny azy dia hesorina amin’ ny zara-tanin’ ny razanay. 5Ary Mosesy nandidy ny Zanak’ Isiraely araka ny tenin’ i Jehovah ka nanao hoe: Marina ny tenin’ ny firenena taranak’ i Josefa. 6Izao no teny izay andidian’ i Jehovah ny amin’ ny zanakavavin’ i Zelofada: Aoka izy hanambady izay tiany, nefa ny ao amin’ ny fokon’ ny firenen’ ny razany ihany no hovadiny. 7Dia tsy hifindra maso ny zara-tanin’ ny firenen’ ny Zanak’ Isiraely; fa samy ho eo amin’ ny zara-tanin’ ny razany avy no hipetrahan’ ny Zanak’ Isiraely. 8Ary ny zazavavy rehetra izay mandova zara-tany eo amin’ ny firenen’ ny Zanak’ Isiraely dia hanambady ny anankiray ao amin’ ny fokon’ ny firenen’ ny razany ihany, mba hananan’ ny Zanak’ Isiraely rehetra ny zara-tanin’ ny razany avy. 9Ary aoka tsy hisy hifindra maso ny zara-tanin’ ny firenena samy hafa, fa samy ho eo amin’ ny azy avy no hipetrahan’ ny Zanak’ Isiraely. 10Araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy no nataon’ ny zanakavavin’ i Zelofada, 11ka Mahala sy Tirza sy Hogla sy Milka ary Noa, zanakavavin’ i Zelofada, dia samy nanambady ny zanaky ny rahalahin’ ny rainy avy. 12Izay avy tamin’ ny fokon’ ny taranak’ i Manase, zanak’ i Josefa, no novadin’ ireo, ka dia nitoetra teo amin’ ny firenen’ ny mpianakavin’ ny rainy ihany ny zara-taniny. 13Ireo no didy sy fitsipika izay nandidian’ i Jehovah ka nampitondrainy an’ i Mosesy ho amin’ ny Zanak’ Isiraely teo Arbota-moaba, teo amoron’ i Jordana tandrifin’ i Jeriko.

Copyright information for Mg1865