Proverbs 11

1Ny mizana mandainga dia fahavetavetana eo imason’ i Jehovah; Fa ny vato marina no ankasitrahany. 2Raha tonga ny fiavonavonana, dia tonga koa ny fahafaham-baraka; Fa ao amin’ ny manetry tena no misy fahendrena. 3Ny fahitsian’ ny mahitsy no mitarika azy; Fa ny faharatsian’ ny mpivadika mahatonga fandringanana amin’ ny tenany. 4Ny harena dia tsy mahasoa amin’ ny andro fahatezerana; Fa ny fahamarinana no mamonjy tsy ho azon’ ny fahafatesana. 5Ny fahamarinan’ ny marina mandamina ny alehany; Fa ny ratsy fanahy lavon’ ny haratsiany ihany. 6Ny fahamarinan’ ny mahitsy mamonjy azy; Fa ny mpivadika dia voafandriky ny filàny. 7Raha maty ny ratsy fanahy, dia foana ny fanantenany, Eny, foana ny fanantenan’ ny mpanao ratsy
Na: mahery.
.
8Ny marina dia vonjena amin’ ny fahoriana; Fa ho avy kosa ny ratsy fanahy hisolo azy. 9Ny vavan’ ny mpihatsaravelatsihy
Na: ratsy fanahy.
no animbany ny namany; Fa ny fahalalana no hanafahana ny marina
Na: Ny fahalalan’ ny marina no hanafahana ny namany.
.
10Raha miadana ny marina, dia ravoravo ny tanàna; Fa raha ringana ny ratsy fanahy, dia velona ny hoby. 11Ny fisaoran’
Na: Ny fitahiana avy amin’
ny marina no isandratan’ ny tanàna; Fa ny vavan’ ny ratsy fanahy no aharavany.
12Tsy ampy saina izay manamavo ny namany; Fa izay hendry dia mangìna. 13Izay mandehandeha manaratsy dia manambara ny hevitra afenina; Fa ny olona mahatoky tsy mba tia lazalaza. 14Raha tsy misy mpitondra, dia rava ny firenena; Fa handry fahizay, raha maro ny mpanolo-tsaina. 15Hahita loza tokoa ny mianto-bahiny: Fa mitoetra tsy manana ahiahy ny tsy tia antoka. 16Ny vehivavy tsara tarehy mahazo dera; Ary ny mpanao an-keriny mahazo harena. 17Ny olona mamindra fo dia mahazo soa ho an’ ny tenany; Fa ny lozabe dia todin’ ny halozany. 18Ny ratsy fanahy dia mahazo valiny tsy mahasoa; Fa izay mamafy fahamarinana no mahazo izay tena tambiny tokoa. 19Ny tena fahamarinana dia mamantana any amin’ ny fiainana; Fa izay fatra-panaraka ny ratsy dia iharan’ ny fahafatesana. 20Fahavetavetana eo imason’ i Jehovah ny meloka am-po; Fa ankasitrahany kosa izay mandeha tsy misy tsiny. 21Azo itompoana tokoa fa
Na: Azo ifandraisan-tanana fa; na: Hatramin’ ny taranaka fara mandimby dia.
tsy maintsy hampijalina ny ratsy fanahy; Fa ny taranaky ny marina no hovonjena.
22Toy ny kavim-bolamena eo amin’ ny oron-kisoa Ny vehivavy tsara tarehy tsy manam-pahendrena
Na: efa niala tamin’ ny fahendrena.
.
23Ny soa ihany no irin’ ny marina; Fa fahatezerana no fanantenan’ ny ratsy fanahy. 24Misy mahafoy
Heb mamafy.
, nefa mitombo fananana ihany; Ary misy fatra-pahihitra loatra
Na: mihazona ny hareny.
, nefa tonga malahelo ihany.
25Izay manisy soa olona hohatavezina; Ary izay mandena dia mba holemana kosa
Heb Ary izay mampisotro dia mba hampisotroina kosa.
.
26Izay tsy mamoaka ny variny dia ozonin’ ny olona; Fa saotra no ho amin’ ny lohan’ izay mivarotra. 27Izay fatra-pikatsaka ny tsara no mitady ny mahafinaritra; Fa izay mitady ny ratsy dia hiharan’ izany. 28Izay matoky ny hareny dia ho lavo; Fa ny marina ho tahaka ny ravina maitso. 29Izay mampidi-doza amin’ ny ankohonany dia mandova ny rivotra; Ary ny adala dia tonga mpanompon’ ny hendry. 30Ny vokatry ny marina dia hazon’ aina, Ary ny hendry dia mahataona olona. 31Indro, ny marina aza dia valiana etỳ an-tany, Koa mainka fa ny ratsy fanahy sy ny mpanota!

Copyright information for Mg1865