Proverbs 12

1Izay tia fananarana no tia fahalalana; Fa izay mandà anatra dia biby. 2Ny tsara fanahy mahazo sitraka amin’ i Jehovah; Fa ny mamoron-tsain-dratsy hohelohiny. 3Tsy maha-tafatoetra ny olona ny haratsiana; Fa ny fakan’ ny marina tsy mba hihetsika. 4Ny vehivavy tsara dia satro-boninahitry ny lahy; Fa ny vehivavy manao izay mahamenatra kosa dia tahaka ny lò ao anatin’ ny taolana. 5Rariny ny hevitry ny marina; Fa fitaka ny fisainan’ ny ratsy fanahy. 6Ny tenin’ ny ratsy fanahy dia otrika ho enti-mandatsa-drà; Fa ny vavan’ ny marina hamonjy azy. 7Haringana ny ratsy fanahy ka tsy ho ao intsony
Na: Vetivety foana dia tsy ao intsony ny ratsy fanahy.
; Fa ny mpianakavin’ ny marina haharitra.
8Araka ny fahendren’ ny olona no hiderana azy; Fa izay meloka am-po dia hatao tsinontsinona. 9Aleo ambany toetra, nefa manana mpanompo iray, Toy izay mihambo ho be voninahitra, nefa tsy manan-kohanina akory. 10Ny marina mitsimbina ny ain’ ny bibiny; Fa fahasiahana kosa no famindram-pon’ ny ratsy fanahy; 11Izay miasa ny taniny dia ho voky hanina; Fa izay manaraka ny olom-poana
Na: ny zava-poana.
dia tsy ampy saina.
12Ny mpanota maniry ny hazan’
Na: ny fandriky.
ny ratsy fanahy; Fa ny fakan’ ny marina mitrebona
Na: Fa ny marina ataon’ Andriamanitra miorim-paka.
.
13Amin’ ny fahotan’ ny molotra dia misy fandrika ahitan-doza; Fa ny marina ho afaka amin’ ny fahoriana. 14Ny vokatry ny vavan’ ny olona no mahavoky soa azy, Ary ny asan’ ny tànany hitsingerina aminy. 15Ny lalan’ ny adala dia mahitsy eo imasony; Fa izay mino anatra no hendry. 16Ny fahasosoran’ ny adala dia fantatra miaraka amin’ izay; Fa izay mahatsindry fo amin’ ny fanalam-baraka no hendry. 17Izay olona mahatoky dia manambara ny rariny; Fa ny vavolombelona mandainga kosa miteny fitaka. 18Misy mandefalefa teny tsy tsaroana ka tonga toy ny fanindron’ ny sabatra; Fa ny lelan’ ny marina dia fanasitranana kosa. 19Ny molotra marina ampitoerina ho mandrakizay; Fa ny lela mandainga dia indray mipi-maso monja. 20Fitaka no ao am-pon’ izay mamoron-tsain-dratsy; Fa hafaliana no amin’ izay misaina fiadanana. 21Tsy misy ratsy manjo ny marina; Fa heni-doza
Heb henika ny ratsy.
ny ratsy fanahy.
22Fahavetavetana eo imason’ i Jehovah ny molotra mandainga; Fa izay olona mahatoky no ankasitrahany. 23Ny olon-kendry tsy mba mampideradera fahalalana foana
Heb manafina fahalalana.
; Fa ny fon’ ny adala mamoaka fahadalana.
24Ny tanan’ ny mazoto no hanapaka; Fa izay miraviravy tanana dia hampanompoina. 25Ny alahelo ao am-pon’ ny olona dia mampitanondrika azy; Fa ny teny soa no mahafaly azy. 26Ny marina dia mitari-dalana ny namany; Fa ny alehan’ ny ratsy fanahy kosa no mampivily azy. 27Ny kamo tsy mety mihaza
Na: tsy mahatono izay nohazainy.
; Fa fananana soa ho an’ ny olona ny zoto.
28Amin’ ny lalan’ ny fahamarinana no misy fiainana, Ary ny tsi-fahafatesana no lalan-kalehany.

Copyright information for Mg1865