Proverbs 15

1Ny famaliana mora dia mampianina ny fahatezerana mafy; Fa ny teny maharary mahatonga fahasosorana. 2Ny lelan’ ny hendry mampiseho fahalalana tsara; Fa ny vavan’ ny adala miboiboika fahadalana. 3Ny mason’ i Jehovah amin’ izao rehetra izao, Mijery ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy. 4Ny teny
Heb lela.
malemy dia hazon’ aina; Fa ny vava ratsy mandratra ny fanahy.
5Ny adala maniratsira ny famaizan-drainy; Fa izay mitandrina ny fananarana no hita ho hendry. 6Ao an-tranon’ ny marina misy harena be; Fa ny fitomboan’ ny haren’ ny ratsy fanahy dia misy loza. 7Ny molotry ny hendry mampiely fahendrena; Fa tsy mba toy izany ny fon’ ny adala. 8Ny fanatitry ny ratsy fanahy dia fahavetavetana eo imason’ i Jehovah; Fa ny fivavaky ny marina no sitrany. 9Fahavetavetana eo imason’ i Jehovah ny lalan’ ny ratsy fanahy; Fa izay fatra-panaraka ny fahamarinana no tiany. 10Famaizana mafy no hihatra amin’ izay mivily lalana. Eny, izay mankahala anatra dia ho faty. 11Ny fiainan-tsi-hita
Heb Sheola.
sy ny fandringanana aza dia miharihary eo anatrehan’ i Jehovah, Koa mainka ny fon’ ny zanak’ olombelona!
12Tsy tian’ ny mpaniratsira izay mananatra azy, Ary tsy mety manatona ny hendry izy. 13Ny fo ravoravo mahamiramirana ny tarehy; Fa ny alahelon’ ny fo mahareraka ny fanahy. 14Ny fon’ ny manan-tsaina mitady fahendrena; Fa ny vavan’ ny adala mankamamy ny fahadalana. 15Ratsy avokoa ny andron’ ny ory; Fa ny faharavoravoam-po dia fanasana mandrakariva. 16Aleo ny kely misy ny fahatahorana an’ i Jehovah Toy izay harena be misy ahiahy. 17Aleo sakafo anana ampian-tsetsetra
Heb fitiavana.
Toy izay omby mifahy asian-dromoromo
Heb fankahalana.
.
18Izay malaky tezitra manetsika ady; Fa izay mahatsindry fo mampitsahatra fifandirana. 19Ny lalan’ ny malaina dia toy ny fefy tsilo Fa ny lalamben’ ny marina dia voalamina tsara. 20Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy; Fa ny adala manao tsinontsinona an-dreniny. 21Ny fahadalana dia fifalian’ ny tsy ampy saina; Fa ny manan-tsaina kosa mizotra mahitsy 22Ho foana ny fikasana, raha tsy misy mpisaina; Fa raha maro ny mpanolo-tsaina, dia tanteraka izany. 23Faly ny olona, raha mahavaly tsara ny vavany, Ary endrey ny hatsaran’ ny teny atao amin’ izay andro mahamety azy! 24Làlan’ aina ho any ambony no alehan’ ny hendry, Hanalavirany ny fiainan-tsi-hita
Heb Sheola.
any ambany,
25Ravan’ i Jehovah ny tranon’ ny mpiavonavona; Fa ny fari-tanin’ ny mpitondra-tena aoriny mafy. 26Fahavetavetana eo imason’ i Jehovah ny hevi-dratsy; Fa madio ny
Na: Fa ny madio manao.
teny mahafinaritra.
27Izay fatra-pila harena dia mampidi-doza amin’ ny ankohonany; Fa izay mankahala kolikoly no ho velona. 28Ny fon’ ny marina mihevitra vao mamaly; Fa ny vavan’ ny ratsy fanahy kosa miboiboika faharatsiana. 29Jehovah dia lavitra ny ratsy fanahy; Fa ny fivavaky ny marina no henoiny. 30Ny tarehy miramirana
Heb Ny fahazavan’ ny maso.
mahafaly ny fo; Ary ny filazan-tsoa mamelombelona ny taolana.
31Ny sofina izay mihaino anatra mahavelona Dia miara-mitoetra amin’ ny hendry. 32Izay mandà anatra dia manary tena; Fa izay mihaino ny fananarana no mahazo fahalalana. 33Ny fahatahorana an’ i Jehovah dia fananarana mampahahendry; Ary ny fanetren-tena mialoha ny fisandratana.

Copyright information for Mg1865