Proverbs 18

1Izay mitokana ho azy dia mitady ny mahafinaritra ny tenany ihany, Misafoaka manohitra izay hevitra mahasoa rehetra izy. 2Ny adala tsy mba finaritra amin’ ny fahalalana, Fa ta-haneho izay ao am-pony. 3Raha avy ny ratsy fanahy, dia avy ny fanamavoana; Ary miaraka amin’ ny fahafaham-baraka ny henatra. 4Rano lalina ny teny aloaky ny vavan’ ny olona, Ary rano miboiboika ny loharanon’ ny fahendrena, 5Tsy mety raha manohana ny ratsy fanahy Handresy ny marina amin’ ny fitsarana. 6Ny molotry ny adala manatona ny fifandirana, Ary ny vavany mihantsy kapoka. 7Ny vavan’ ny adala no fandringanana azy, Ary ny molony ihany no fandriky ny fanahiny. 8Ny tenin’ ny mpifosafosa dia toy ny hanim-py Ka mikorotsaka ao anaty kibo indrindra. 9Ary izay malaina amin’ ny asany Dia rahalahin’ ny mpanimba. 10Ny anaran’ i Jehovah dia tilikambo mafy; Ny marina miezaka ho ao aminy ka voavonjy
Heb atao amin’ ny avo.
.
11Ny haren’ ny manan-karena no vohiny mafy, Ary raha araka ny fiheviny, dia toa manda avo izany. 12Ny fireharehan’ ny fon’ ny olona mialoha ny fahasimbana; Fa ny fanetren-tena kosa mialoha ny voninahitra. 13Izay mamaly teny mbola tsy re, Dia hadalana sy henatra ho azy izany. 14Ny faharariany dia zakan’ ny fanahin’ ny olona ihany; Fa ny fanahy kivy, iza no mahazaka izany? 15Ny fon’ ny manan-tsaina mahazo fahalalana; Ary ny sofin’ ny hendry mitady izany. 16Ny fanomezan’ ny olona dia mahalalaka ny alehany, Hahatonga azy eo anatrehan’ ny lehibe. 17Izay mandahatra aloha no toa marina; Fa nony avy kosa ny an-daniny, dia mamaly ny teniny. 18Ny filokana mampitsahatra ady Ary mampisaraka ny samy mahery. 19Ny mampionona ny rahalahy voaisy ratsy dia sarotra noho ny manafaka vohitra mafy, Ary ny fifandirana aminy dia tahaka ny hidin’ ny lapan’ ny mpanjaka. 20Ny vokatry ny vavan’ ny olona no mahavoky soa azy; Eny, ny vokatry ny molony no mahavoky azy. 21Ny mahafaty sy ny mahavelona samy hain’ ny lela, Koa izay manarana azy dia hihinana ny vokany. 22Izay lehilahy mahazo vady dia mahazo zava-tsoa Sady mahita sitraka amin’ i Jehovah. 23Fitarainana no ataon’ ny malahelo; Nefa ny manan-karena kosa dia mamaly mahery. 24Izay maro sakaiza tsy maintsy tra-pahoriana
Na: tsy maintsy hita fa ratsy.
; Fa misy sakaiza tia, izay mifikitra noho ny rahalahy aza.

Copyright information for Mg1865