Psalms 100

Fiantsoana izao tontolo izao hanompo an’ i Jehovah

Salamo ho fiderana.

1

Mihobia ho an’ i Jehovah, ry tany rehetra.
2Manompoa an’ i Jehovah amin’ ny fifaliana; Mankanesa eo anatrehany amin’ ny fihobiana. 3Aoka ho fantatrareo fa Jehovah no Andriamanitra; Izy no nanao antsika, ary Azy isika
Na: fa tsy isika.
, Dia olony sy ondry fiandriny.
4Midìra eo amin’ ny vavahadiny amin’ ny fisaorana, Ary eo an-kianjany amin’ ny fiderana; Misaora Azy, mankalazà ny anarany, 5Fa tsara Jehovah; Mandrakizay ny famindram-pony, Ary mihatra amin’ ny taranaka fara mandimby ny fahamarinany.
Copyright information for Mg1865