Psalms 128
Ny hatsaran’ ny tokan-tranon’ ny olona matahotra an’ Andriamanitra
Fihirana fiakarana ▼▼Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga..
1 Sambatra izay rehetra matahotra an’ i Jehovah, Dia izay mandeha amin’ ny lalany. 2Fa hohaninao tokoa ny asan’ ny tananao; Sambatra sady ambinina ianao. 3Ny vadinao dia tahaka ny voaloboka mahavokatra Ao anatin’ ny tranonao; Ny zanakao dia tahaka ny zanak’ oliva Manodidina ny latabatrao. 4Indro, fa toy izany no hitahiana Izay lehilahy matahotra an’ i Jehovah. 5Hitahy anao avy any Ziona anie Jehovah; Ary ho faly hahita ny fahasoavan’ i Jerosalema anie ianao Amin’ ny andro rehetra hiainanao. 6Eny, hahita ny zafinao anie ianao; Fiadanana anie ho amin’ ny Isiraely.
Copyright information for
Mg1865