Psalms 136

Fankalazana an’ Andriamanitra noho ny nanaovany izao rehetra izao sy ny nanavotany ny olony

1Miderà an’ i Jehovah, fa tsara Izy; Fa mandrakizay ny famindram-pony. 2Midera an’ Andriamanitra Avo Indrindra
Heb Andriamanitry ny andriamanitra.
; Fa mandrakizay ny famindram-pony.
3Miderà ny Tompon’ ny tompo; Fa mandrakizay ny famindram-pony; 4Izy irery no Mpanao fahagagan-dehibe (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 5Izay nanao ny lanitra tamin’ ny fahendrena (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 6Izay namelatra ny tany ho ambonin’ ny rano, (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 7Izay nanao ireo fanazavana lehibe (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 8Dia ny masoandro ho mpanapaka ny andro (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 9Ary ny volana sy ny kintana ho mpanapaka ny alina (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 10Izay namely ny voalohan-terak’ i Egypta, (Fa mandrakizay ny famindram-pony) 11Ka nitondra ny Isiraely nivoaka avy teo aminy (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 12Tamin’ ny tanana mahery sy ny sandry nahinjitra (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 13Izay nampisaraka ny Ranomasina Mena (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 14Ka nampandeha ny Isiraely namaky teo afovoany (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 15Fa nanary an’ i Farao sy ny miaramilany tao anatin’ ny Ranomasina Mena (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 16Izay nitondra ny olony nitety ny efitra (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 17Izay namely mpanjaka lehibe (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 18Ka nahafaty mpanjaka malaza (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 19Dia Sihona, mpanjakan’ ny Amorita (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 20Sy Oga, mpanjakan’ i Basana (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 21Ary ny taniny nomeny ho lova (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 22Dia ho lovan’ ny Isiraely mpanompony (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 23Izay nahatsiaro antsika fony isika ambany toetra (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 24Ka naneho hery namonjy antsika ho afaka tamin’ ny fahavalontsika (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 25Izay manome hanina ny nofo rehetra (Fa mandrakizay ny famindram-pony); 26Miderà an’ Andriamanitry ny lanitra; Fa mandrakizay ny famindram-pony.
Copyright information for Mg1865