Psalms 142

Vavaka ataon’ izay foin’ ny sakaizany sady enjehin’ ny fahavalony

Maskila nataon’ i Davida tamin’ izy tao anaty lavaka. Fivavahana.

1

2Ny feoko no itarainako amin’ i Jehovah; Ny feoko no ifonako amin’ i Jehovah. 3Loarako eo anatrehany ny fitarainako; Ambarako eo anatrehany ny fahoriako. 4Raha reraka ato anatiko ny fanahiko, dia fantatro ny alehako; Eo amin’ ny lalana izorako No nanafenany fandrika hamandrihany ahy. 5Jereo eo ankavanana, ka izahao, Fa tsy misy olona mahalala ahy; Foana avokoa ny fiarovana ahy; Tsy misy miahy ny fanahiko. 6Mitaraina aminao aho, Jehovah ô; Hoy izaho: Hianao no aroko Sy anjarako eo amin’ ny tanin’ ny velona. 7Henoy ny fitarainako, Fa reraka indrindra aho; Vonjeo aho amin’ ny mpanenjika ahy, Fa tsy leoko ireny. 8Avoahy hiala amin’ ny tranomaizina ny fanahiko, Mba hiderako ny anaranao; Hanodidina ahy ny marina, Satria manisy soa ahy Hianao.
Copyright information for Mg1865