Psalms 39

Ny fahatsinontsinon’ izao fiainana izao

Ho an’ ny mpiventy hira. Ho an’ i Jedotona Salamo nataon’ i Davida.

1

2Hoy izaho: hitandrina ny lalako aho ka tsy hanota amin’ ny lelako; hasiako fehim-bava ny vavako, raha mbola eo anatrehako ny ratsy fanahy. 3Nangina mihitsy aho, namihim-bava ka tsy nilaza na dia ny tsara aza
Na: na dia teo anatrehan’ ny tsara fanahy aza.
, dia nihetsika mafy ny fanaintainan’ ny aretiko.
4Nafana ny foko tato anatiko; raha nieritreritra aho, dia nisy afo nirehitra, ka niteny tamin’ ny lelako aho. 5Jehovah ô, ampahafantaro ny farako aho sy izay ohatry ny androko; aoka ho fantatro fa olon-kandalo aho. 6Indro efa nataonao vodivoam-pelatanana ny androko, ary ny fiainako toy ny tsinontsinona eo anatrehanao. Zava-poana ihany tokoa ny olon-drehetra, na dia matanjaka aza
Na: Natao ho zava-poana ihany tokoa ny olona rehetra.
. [Sela.]
7Aloka tokoa no fandehandehan’ ny olona; zava-poana tokoa no itabatabàny; mihary harena izy nefa tsy fantany izay ho tompon’ izany. 8Ary ankehitriny, inona no andrasako Tompo ô? Hianao no antenaiko. 9Manafaha ahy amin’ ny fahadisoako rehetra; aza manao ahy ho fanakoran’ ny adala. 10Mangìna aho ka tsy miloa-bava fa ianao no nanao izao. 11Aoka hitsahatra ny fikapohanao ahy; reraka aho azon’ ny famelin’ ny tananao. 12Anatra noho ny fahadisoany no ananaranao ny olona, ka manimba ny hatsaran-tarehiny tahaka ny kalalao ianao; zava-poana tokoa ny olona rehetra. [Sela.] 13Mandrenesa ny fivavako Jehovah ô, ary mihainoa ny fitarainako; aza mangìna amin’ ny ranomasoko fa vahiny aminao aho sy mpivahiny tahaka ny razako rehetra. 14Aza atrehinao aho aloha, dia ho miramirana indray, dieny aho tsy mbola lasa ka tsy ho eto intsony.
Copyright information for Mg1865