Psalms 41

Fitarainan’ ilay ampahorin’ ny olon-tsy tia sy ny sakaiza mamadika

Ho an’ ny mpiventy hira. Salamo nataon’ i Davida.

1

2Sambatra izay mahatsiaro ny malahelo; Jehovah hamonjy azy amin’ ny andro fahoriana. 3Jehovah hitandrina sy hiaro azy tsy ho faty; hatao ho sambatra ambonin’ ny tany izy, ary tsy mba hatolotrao amin’ ny sitrapon’ ny fahavalony. 4Jehovah hanohana azy eo ambonin’ ny farafara hitsaboana azy. Ny fandriany rehetra eo am-paharariany dia hovanao. 5Hoy izaho: Jehovah ô, mamindrà fo amiko; sitrano ny fanahiko, fa efa nanota taminao aho. 6Ny fahavaloko maniry ahy ho simba ka manao hoe: Rahoviana no ho faty izy, ka ho very ny anarany? 7Ary raha avy mamangy, izy dia miteny zava-poana; ny fony mamory faharatsiana ho an’ ny tenany; mivoaka eny ivelany izy ka milazalaza. 8Mitakoritsika ahy izay rehetra mankahala ahy; misaina hanisy ratsy ahy izy. 9Tena zava-dratsy, hoy izy, no aidina aminy; ary raha mandry izy dia tsy hitsangana intsony. 10Eny, ny sakaizako, izay maha-toky ahy sady nihinana ny haniko, no nanangana ny ombelahin-tongony hamely ahy. 11Fa ianao kosa Jehovah ô, mamindrà fo amiko, ka atsangano aho mba hamaliako azy. 12Izao no hahafantarako fa mankasitraka ahy Hianao, dia ny tsy anakoran’ ny fahavaloko ahy. 13Ary ny amiko, dia manohana ahy amin’ ny fahitsiako Hianao, ka mampitoetra ahy eo anatrehanao mandrakizay. 14Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, hatramin’ ny taloha indrindra ka mandrakizay. Amena dia Amena.
Copyright information for Mg1865