Psalms 51

Fifonan’ ny manan-keloka mba hahafahan’ ny helony sy hodian’ ny fifaliany amin’ Andriamanitra

Ho an’ ny mpiventy hira. Salamo nataon’ i Davida,

1 2fony Natana mpaminany nankao aminy rehefa naka an’ i Batseba izy.

3Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, araka ny fahasoavanao; araka ny haben’ ny fiantranao vonoy ny fahadisoako. 4Sasao madio aho mba ho afa-keloka, ary diovy aho mba ho afa-pahotana. 5Fa tsaroako ny fahadisoako, ary eo anatrehako mandrakariva ny fahotako. 6Taminao dia taminao ihany no nanotako, ary izay ratsy eo imasonao no efa nataoko, mba ho marina Hianao, raha miteny, ary tsy hanan-tsiny Hianao, raha mitsara. 7Indro, tamin’ ny heloka no niterahana ahy, ary tamin’ ny fahotana no torontoronina ahy ny reniko. 8Indro, fahamarinana ao am-po no sitrakao; ary fahendrena ao amin’ ny miafina no ampahafantarinao ahy. 9Diovy hysopa aho ho afa-pahotana, dia hadio; sasao aho, dia ho fotsy mangatsakatsaka
Heb toy ny oram-panala.
.
10Ampandreneso fifaliana sy faharavoravoana aho, hifalian’ ny taolana izay voavakivakinao. 11Afeno ny tavanao ny fahotako ary vonoy ny heloko rehetra. 12Amorony fo madio aho, Andriamanitra ô; ary havaozy hiorina marina ny fanahiko ato anatiko. 13Aza manary ahy hiala eo anatrehanao; ary aza manaisotra ny Fanahinao Masìna amiko. 14Ampodio amiko ny fifaliana amin’ ny famonjenao; ary tohàny fanahy mazoto aho. 15Dia hampianatra ny olon-diso ny lalanao aho; ary ny mpanota hampiverenina aminao. 16Vonjeo ho afaka amin’ ny valin-drà aho, Andriamanitra ô, Andriamanitry ny famonjena ahy; hihoby ny fahamarinanao ny vavako
Heb ny lelako.
.
17Tompo ô, sokafy ny molotro, dia hanambara ny fiderana Anao ny vavako. 18Fa tsy fanatitra no sitrakao; raha izany dia nomeko ihany; ny fanatitra dorana tsy mahafaly Anao. 19Ny fanatitra ho an’ Andriamanitra dia fanahy torotoro; ny fo torotoro sy mangorakoraka, Andriamanitra ô, tsy mba ataonao tsinontsinona. 20Manaova soa amin’ i Ziona araka ny fahasoavanao; ataovy ny mandan’ i Jerosalema. 21Dia ho sitrakao ny fanati-pahamarinana sy ny fanatitra dorana ary ny fanatitra levonina amin’ ny afo; dia hanatitra vantotr’ ombilahy eo amin’ ny alitaranao ny olona.
Copyright information for Mg1865