Psalms 57

Fangataham-pamindram-po sy fahatokiana an’ Andriamanitra, na dia hodidinim-pahavalo aza

Ho an’ ny mpiventy hira. Al-tasheth. Miktama nataon’ i Davida tamin’ ny nandosirany an’ i Saoly tao anaty zohy.

1

2Mamindrà fo amiko. Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko; fa Hianao no ialofan’ ny fanahiko; eny, ao amin’ ny aloky ny elatrao no ialofako, mandra-pahalasan’ ny loza. 3Hitaraina amin’ Andriamanitra Avo Indrindra aho, dia amin’ Andriamanitra Izay mahatanteraka ho ahy. 4Haniraka avy any an-danitra Izy ka hamonjy ahy, raha miteny ratsy izay misafoaka manenjika ahy. [Sela.] Eny, Andriamanitra haniraka ny famindram-pony sy ny fahamarinany. 5Ny fanahiko dia eo afovoan’ ny liona; handry eo amin’ ny masiaka aho, dia eo amin’ ny zanak’ olombelona,― lefona sy zana-tsipìka ny nifiny, ary sabatra maranitra ny lelany. 6Misandrata any ambonin’ ny lanitra Hianao, Andriamanitra ô! aoka ho ambonin’ ny tany rehetra ny voninahitrao. 7Efa namela-pandrika harato haningotra ny diako izy, ary nampitanondrika ny fanahiko
Na: nitanondrika ny fanahiko.
; nihady lavaka teo anoloako izy, kanjo ny tenany ihany no latsaka ao anatiny. [Sela.]
8Tafatoetra ny foko, Andriamanitra ô, eny, tafatoetra ny foko; hihira sy hankalaza aho. 9Mifohaza, ry voninahitro; mifohaza ry valiha sy lokanga; hifoha maraina koa
Na: Hampifoha ny maraina aho.
aho.
10Hidera Anao eny amin’ ny vahoaka aho, Tompo ô, hankalaza Anao eny amin’ ny firenena aho. 11Fa lehibe mihatra amin’ ny lanitra ny famindram-ponao, ary mihatra amin’ ny rahona ny fahamarinanao. 12Misandrata any ambonin’ ny lanitra Hianao, Andriamanitra ô; aoka ho ambonin’ ny tany rehetra ny voninahitrao.
Copyright information for Mg1865