Psalms 60

Fiantsoan’ ny efa resim-pahavalo, mba hotsarovan’ Andriamanitra ny teniny

Ho an’ ny mpiventy hira Al-sho-shanedoth. Miktama nataon’ i Davida hampianarana,

1 2fony izy nanafika an’ i Mesopotamia
Arama-naharaima.
sy Arama-zoba tamin’ ny niverenan’ i Joaba ka namelezany ny Edomita roa arivo amby iray alin-dahy teo amin’ ny lohasahan-tsira.

3Andriamanitra ô, efa nanary sy nampihahaka anay Hianao; efa tezitra Hianao, velombelomy izahay. 4Efa nampihorohoro ny tany Hianao ka namaky azy; amboary izay rava aminy, fa mihozongozona izy. 5Efa nampahita ny olonao zava-tsarotra Hianao, ary efa nampisotro anay divay mampiraikiraiky. 6Efa notoloranao faneva ny matahotra Anao, hatsangany noho ny fahamarinana. [Sela.] 7Mba hahafahan’ ny malalanao, dia vonjeo amin’ ny tananao ankavanana aho, ka valio. 8Andriamanitra niteny tamin’ ny fahamasinany hoe: hifaly Aho ka hizara an’ i Sekema; ary ny lohasahan’ i Sokota horefesiko; 9Ahy Gileada, Ahy koa Manase; ary aron’ ny lohako Efraima tehim-panjakako Joda; 10Tavin-dranoko fanasana Moaba; Edoma no anipazako ny kapako; mihobia noho ny amiko, ry Filistia. 11Iza no hitondra ahy ho any an-tanàna mafy? iza no hitarika ahy ho any Edoma? 12Tsy Hianao va, Izay efa nanary anay
Na: Tsy efa nanary anay va Hianao.
, Andriamanitra ô. Sady tsy nivoaka niaraka tamin’ ny antokon’ ny miaramilanay, Andriamanitra ô?
13Vonjeo amin’ ny mpandrafy izahay; fa zava-poana ny famonjena ataon’ ny olona. 14Andriamanitra no haherezantsika; fa Izy no hanitsakitsaka ny fahavalontsika.
Copyright information for Mg1865