Psalms 66

Fiantsoana izao rehetra izao hisaotra an’ Andriamanitra noho ny nataony ho an’ ny mpanompony

Ho an’ ny mpiventy hira. Tonon-kira. Salamo.

1

Mihobia ho an’ Andriamanitra, ry tany rehetra;
2Mankalazà ny voninahitry ny anarany; omeo voninahitra Izy ho fiderana Azy. 3Lazao amin’ Andriamanitra hoe: endrey, mahatahotra ny asanao! ny fahalehibiazan’ ny herinao no hikoizan’ ny fahavalonao Anao. 4Ny tany rehetra hiankohoka eo anatrehanao ka hankalaza Anao; eny, hankalaza ny anaranao izy. [Sela.] 5Avia, ka jereo ny asan’ Andriamanitra, mahatahotra ny zavatra ataony amin’ ny zanak’ olombelona. 6Efa nampody ny ranomasina ho tany maina Izy; nandeha an-tongotra nita ny ony ny olona; tao no nifaliantsika tamin’
Na: Ao no aoka hifaliantsika amin’
Andriamanitra.
7Manjaka mandrakizay amin’ ny heriny Izy, ary ny masony mandinika ny firenen-tsamy hafa; aoka tsy hanandra-tena ny maditra. [Sela.] 8Misaora an’ Andriamanitsika, ry firenena; ary asandrato ny feo fiderana Azy, 9Izay mampitoetra ny fanahintsika amin’ ny fiainana ka tsy mamela ny tongotsika hangozohozo. 10Fa efa nizaha toetra anay Hianao, Andriamanitra ô; efa nanadio anay Hianao, tahaka ny fanadio volafotsy amin’ ny memy. 11Efa nampiditra anay tamin’ ny fandrika Hianao; efa nanisy enta-mavesatra teo am-balahanay Hianao. 12Efa nampandeha ny olona hanitsaka ny lohanay Hianao; nandeha namaky ny afo sy ny rano izahay; fa nitondra anay nivoaka ho amin’ ny fitahiana mahatretrika Hianao. 13Hiditra ao an-tranonao mitondra fanatitra dorana aho; hefaiko aminao ny voadiko, 14Izay notononin’ ny molotro sy naloaky ny vavako, fony aho azom-pahoriana. 15Hateriko aminao ho fanatitra dorana ny matavy mbamin’ ny setroky ny ondrilahy; hanatitra omby sy osilahy aho. [Sela.] 16Avia, mihainoa ianareo rehetra izay matahotra an’ Andriamanitra, fa holazaiko izay nataony ho an’ ny fanahiko. 17Izy no nantsoin’ ny vavako; ary ny fanandratana Azy no teo ambanin’ ny lelako. 18Raha nankasitraka
Heb nijery.
ota tao am-poko aho, dia tsy mba hihaino ny Tompo;
19Kanefa efa nihaino tokoa Andriamanitra; efa nihaino ny feon’ ny fivavako Izy. 20Isorana anie Andriamanitra, izay tsy nandà ny fivavako, na nanaisotra ny famindram-pony tamiko.
Copyright information for Mg1865