Psalms 67

Fanirian’ ny olo-marina mba hanaiky an’ Andriamanitra avokoa ny firenena rehetra

Ho an’ ny mpiventy hira. Hampiarahina amin’ ny valiha. Salamo. Tonon-kira.

1

2Andriamanitra anie hamindra fo aminay sy hitahy anay; [Sela.] hampamirapiratra ny tavany aminay anie Izy; 3Mba ho fantatra etỳ ambonin’ ny tany ny lalanao sy ny famonjenao any amin’ ny jentilisa rehetra. 4Hidera Anao ny firenena, Andriamanitra ô; eny, hidera Anao ny firenena rehetra. 5Hifaly sy hihoby ny firenentsamy hafa, Satria mitsara marina ny firenena Hianao; ny firenen-tsamy hafa ambonin’ ny tany dia entinao. [Sela.] 6Hidera Anao ny firenena, Andriamanitra ô; eny, hidera Anao ny firenena rehetra. 7Ny tany efa nahavokatra; mitahy antsika Andriamanitra, dia Andriamanitsika. 8Mitahy antsika Andriamanitra; ary hatahotra Azy ny vazan-tany rehetra.
Copyright information for Mg1865