Psalms 70

Fangatataham-pamonjena

Ho an’ ny mpiventy hira. Nataon’ i Davida. Ho fampahatsiarovana.

1

2Andriamanitra ô, faingàna hanafaka ahy; Jehovah ô, faingàna hamonjy ahy. 3Aoka ho menatra sy hangaihay izay mitady ny aiko; aoka hiamboho sy ho afa-baraka izay faly amin’ ny manjo ahy; 4Aoka hiamboho noho ny fahamenarany izay manao hoe: Hià! sakoa izay! 5Aoka hifaly sy ho ravoravo aminao izay rehetra mitady Anao; ary aoka izay tia ny famonjenao hanao mandrakariva hoe: hankalazaina anie Andriamanitra. 6Fa izaho dia ory sy malahelo; faingàna hankatỳ amiko, Andriamanitra ô; Mpamonjy sy Mpanafaka ahy Hianao; aza ela, Jehovah ô.
Copyright information for Mg1865