Psalms 76

Fiderana an’ Andriamanitra noho ny nisehoan’ ny fitsarany marina

Ho an’ ny mpiventy hira. Hampiarahina amin’ ny valiha. Salamo nataon’ i Asafa. Tonon-kira.

1

2Andriamanitra dia fantatra eo amin’ ny Joda; malaza eo amin’ ny Isiraely ny anarany; 3Naoriny ao Salema ny tranolainy, ary any Ziona ny fonenany. 4Teo no nanapatapahany ny zana-tsipìka manelatra, sy ny ampinga sy ny sabatra ary ny fiadiana. [Sela.] 5Mamirapiratra Hianao sady be voninahitra miseho avy any amin’
Na: noho.
ny tendrombohitra fitohàna.
6Voababo ny mahery fo; renoky ny torimasony izy; ary samy ankona tsy nahahetsika
Heb nahita.
ny tànany avokoa ny olo-mahery rehetra.
7Noho ny teny mafy nataonao, ry Andriamanitr’ i Jakoba, dia sondrian-tory ny kalesy sy ny soavaly. 8Hianao no mahatahotra; ka iza no mahajanona eo anatrehanao, rehefa miseho ny fahatezeranao? 9Avy tany an-danitra no nampandrenesanao fitsaràna. Raiki-tahotra ny tany ka sina, 10Raha nitsangana hitsara Andriamanitra mba hamonjy ny mpandefitra rehetra ambonin’ ny tany. [Sela.] 11Fa ny fahatezeran’ ny olona hidera Anao tokoa; ny fahatezerana sisa dia isikinanao. 12Mivoadia, ka efao ny voadinareo amin’ i Jehovah Andriamanitrareo; aoka izay rehetra manodidina Azy hitondra fanatitra ho an’ Izay mahatahotra. 13Manapaka ny reharehan’ ny lehibe Izy sady tahotry ny mpanjakan’ ny tany.
Copyright information for Mg1865