Psalms 82

Ny fitsaran’ Andriamanitra ny mpitsara etỳ an-tany

Salamo nataon’ i Asafa.

1

Andriamanitra dia eo amin’ ny fiangonan’ Andriamanitra; ary eo amin’ ireo andriamanitra no itsarany.
2Mandra-pahoviana no hitsarànareo tsy marina ka ihenaranareo maso ny ratsy fanahy? [Sela.] 3Alaharo ny tenin’ ny mahantra sy ny kamboty; omeo rariny ny ory sy ny malahelo; 4Vonjeo ny mahantra sy ny malahelo; afaho amin’ ny tanan’ ny ratsy fanahy izy. 5Tsy mahalala na mahazo an-tsaina ireny; ao amin’ ny maizina no andehanany; mihorohoro ny fanambanin’ ny tany rehetra. 6Hoy izaho: Andriamanitra ianareo, ary zanaky ny Avo Indrindra ianareo rehetra; 7Kanjo ho faty tahaka ny olona ihany ianareo, ary samy ho lavo tahaka ny anankiray amin’ ny lehibe. 8Mitsangàna, Andriamanitra ô, tsarao ny tany; fa Hianao no handova ny firenena rehetra.
Copyright information for Mg1865