Psalms 84

Alahelo ny tranon’ Andriamanitra

Ho an’ ny mpiventy hira. Al-hagitith. Salamo nataon’ ny Koraïta.

1

2Endrey ny hatsaran’ ny tabernakelinao, Jehovah, Tompon’ ny maro, ô! 3Manina sady vonton’ alahelo ny kianjan’ i Jehovah ny fanahiko; ny foko sy ny nofoko mihoby an’ Andriamanitra velona. 4Eny, ny tsikirity mahita trano, ary ny sidintsidina mahita akany ho azy hametrahany ny zanany. Dia ny alitaranao, Jehovah, Tompon’ ny maro ô, Mpanjakako sy Andriamanitro. 5Sambatra izay mitoetra ao an-tranonao; hidera Anao mandrakariva izy. [Sela.] 6Sambatra izay olona manan-kery avy aminao; ao am-pony ny lalana; 7Raha mandeha mamaky ny lohasaha Baka
Baka = Fitomaniana.
izy, Dia ataony misy loharano izany, ary ny loha-orana manarom-pitahiana azy.
8Miampy hery eny am-pandehanana izy; samy miseho eo anatrehan’ Andriamanitra any Ziona izy rehetra. 9Jehovah, Andriamanitry ny maro ô, henoy ny fivavako; mandrenesa ry Andriamanitr’ i Jakoba ô. [Sela.] 10Andriamanitra, Ampinganay ô, tsinjovy ka jereo ny tavan’ ny voahosotrao. 11Fa ny indray andro eo an-kianjanao dia tsara noho ny arivo; aleoko mipetraka eo amin’ ny tokonam-baravaran’ ny tranon’ Andriamanitra, toy izay mitoetra ao an-dain’ ny ratsy fanahy. 12Fa Masoandro sy Ampinga Jehovah Andriamanitra; fahasoavana sy voninahitra no homen’ i Jehovah; tsy hiaro zava-tsoa amin’ izay mandeha amin’ ny fahitsiana izy. 13Jehovah, Tompon’ ny maro ô, sambatra izay olona matoky Anao.
Copyright information for Mg1865