Song of Solomon 2

1Izaho dia voninkazo eny an-tanety
Na: any Sarôna.
ihany sy lilia eny an-dohasaha.
2Toy ny lilia eo amin’ ny tsilo, dia toy izany tompokovavy havako eo amin’ ny zazavavy. 3Toy ny hazo poma amin’ ny hazo any an’ ala, dia toy izany ny malalako eo amin’ ny zatovo. Mahafinaritra ahy indrindra ny mipetraka eo ambanin’ ny alokalony, sady mamy ao am-bavako ny voany. 4Nentiny ho ao an-tranon-divay aho, ary ny fanevany eo amboniko dia fitiavana. 5Hatanjaho amin’ ampempam-boaloboka aho, ary velombelomy amin’ ny poma aho, fa mararim-pitia. 6Aoka ny tànany ankavia hanondana ahy, ary aoka ny tànany ankavanana hanohona ahy. 7Mampianiana anareo amin’ ny gazela
Anaram-biby haingan-tongotra.
na amin’ ny dieravavy any an-tsaha aho, ry zanakavavin’ i Jerosalema: Aza manaitra na mamoha ny fitiavana raha tsy efa sitrapony.

Tenin’ ny ampakarina, raha nitoetra irery izy

8Injay, ny feon’ ilay malalako! Indro, tamy izy ka miantsambotsambotra eny an-tendrombohitra ary mitsambitimbikina eny amin’ ny havoana. 9Ny malalako dia tahaka ny gazela
Anaram-biby haingan-tongotra.
na ny diera
Anaram-biby haingan-tongotra.
tanora; Indro, mijanona eo ala-tranonay
Heb ivelan’ ny rindrinay.
izy, mitsidika eo am-baravarankely, manarangarana eo amin’ ny makarakara.
10Niteny ny malalako ka nanao tamiko hoe: Mitsangàna, ry tompokovavy havako, ry tsara tarehiko, ka andeha ary! 11Fa, indro, lasa ny ririnina, ritra tsy misy intsony ny ranonorana; 12Miposaka eo amin’ ny tany ny voninkazo; Tonga ny taona fanaovam-peo fifaliana, ary re atỳ amin’ ny tanintsika ny feon’ ny domohina. 13Ny aviavy
aviavimbazaha.
mahamanitra ny voany tanora, mamony ny voaloboka ka mamerovero tsara. Mitsangàna, ry tompokovavy havako, ry tsara tarehiko, ka andeha ary!
14E, ry voromailalako ao amin’ ny tsefatsefaky ny harambato, dia ao amin’ ny fialokalofana amin’ ny fiakarana mideza, aoka hahita ny endrikao sy handre ny feonao aho; Fa mamy ny feonao, sady mahafinaritra ny endrikao. 15Sambory ny amboahaolo, dia ireo amboahaolo madinika izay manimba ny tanim-boaloboka; Fa efa mamony izao ny voalobotsika. 16Ahy ny malalako, ary azy aho, dia ilay miandry ny ondriny eny amin’ ny lilia. 17Mandra-pangatsiatsiaky ny andro, ka efa hilentika ny masoandro
Heb mandositra ny aloka.
, mitodiha, ry ilay malalako, ary aoka ho tahaka ny gazela
Anaram-biby haingan-tongotra.
na ny diera tanora eny an-tendrombohitra be hantsana
Na: tendrombohitra manelanelana.
ianao.

Copyright information for Mg1865