Jeremiah 47

Toko 47

Faminaniana ny amin'ny Filistina

Ny tenin'i Jehovah izay tonga tamin'i Jeremia mpaminany ny amin'ny Filistina, fony Farao tsy mbola namely an'i Gaza.

Izao no lazain'i Jehovah: Indro, misy rano mizotra avy any avaratra ka ho tonga ony maria manafotra ny tany mbamin'izay rehetra ao aminy, dia ny tanàna mbamin'izay monina ao aminy; Ka dia hitaraina ny olona, ary hidradradradra ny mponina rehetra amin'ny tany. Noho ny fikatrokatroky ny kitron'ny soavaliny matanjaka sy ny fikorodondrodon'ny kalesiny ary ny fikotrototroky ny kodiany ny ray dia tsy miherika ny zanany, fa efa miraviravy tanana, Noho ny hihavian'ny andro handravana ny Filistina rehetra sy handringanana izay sisa rehetra amin'ny mpamonjy an'i Tyro sy Sidona; Fa horavan'i Jehovah ny Filistina, dia ny sisa avy any amin'ny nosy Kaftora. Voaharatra Gaza, ringana
Na: Mangina
Askelona mbamin'ny sisa amin'ny lohasahany; Mandra-pahoviana no mbola hitetika ny tenanao ianao?
Indrisy ry sabatr'i Jehovah! Mandra-pahoviana no tsy hitsaharanao? Midira ao amin'ny tranonao ihany; Mitsahara, ka mijanòna. Hataony
Heb. Hataonao
ahoana no fitsahatra. Fa Jehovah no nandidy azy, eny, hamely an'i Askelona mbamin'ny eny amoron-dranomasina no efa nanendreny azy.

Copyright information for Mal1865