Proverbs 23

Toko 23

Raha mipetraka hiara-komana amin'ny mpanapaka ianao, Dia hevero tsara izay eo anatrehanao
Na: anoloanao
,
Ka andraso antsy ny tendanao, Raha dia liana loatra ianao. Aza mitsiriritra ny hanim-piny, Fa hani-mamitaka izany.

Aza manasa-tena hanan-karena, Aza entina amin'izany ny fahendrenao. Moa hampanarahinao azy va ny masonao, nefa tsy ao intsony izy? Fa maniry elatra tokoa izy Ka manidina toy ny voromahery ho eny amin'ny lanitra.

Aza homana ny mofon'izay ratsy fijery, Ary aza mitsiriritra ny hanim-piny; Fa tahaka ny heviny ao am-pony ihany no toetrany: Hoy izy aminao: Mihinàna, misotroa; Kanjo tsy sitrany ianao. Izay sombiny kely voatelinao aza dia mbola haloanao, Ka ho very foana ny teny mahafinaritra nataonao.

Aza miteny amin'
Heb. an-tsofin'
ny adala;Fa hohamavoiny foana ny fahendren'ny teninao.

10 Aza manakisaka ny fari-tany ela, Ary aza manitatra mankamin
Heb. miditra amin'
'ny sahan'ny kamboty;
11 Fa mahery ny Mpanavotra azy, Izy no hisolo vava azy amin'ny adiny aminao.

12 Ampiekeo famaizana ny fonao, Sy tenim-pahalalana ny sofinao.

13 Aza tsy manafay zanaka, Fa tsy dia ho faty izy tsy akory na dia asianao ny hazo aza
Na: Fa tsy ho faty izy, raha asianao ny hazo
;
14 Raha mamely azy amin'ny hazo ianao, Dia ho voavonjinao tsy ho any amin'ny fiainan-tsi-hita
Heb. Sheola
ny fanahiny.

15 Anaka, raha hendry ny fonao,Dia ho faly koa ny foko, dia ny foko; 16 Eny, ho ravoravo ny fanahiko
Heb. voako
, Raha miteny marina ny molotrao.

17 Aoka tsy hialona ny mpanota ny fonao; Fa matahora an'i Jehovah mandritra ny andro; 18 Fa raha mbola hisy koa ny farany, Dia tsy ho foana ny fanantenanao.

19 Mihainoa ianao, anaka, ka hendre, Ary ampizory amin'ny lalana ny fonao. 20 Aza misakaiza amin'izay mpiboboka divay Sy izay fatra-pitia hena; 21 Fa halahelo izay mpiboboka sy izay fatra-pitia hena; Ary ny fitiavan-torimaso mampitafy voro-damba.

22 Maneke ny rainao izay niteraka anao. Ary aza manamavo ny reninao, saingy efa antitra izy.

23 Vidio ny marina, ka aza amidy, Dia ny fahendrena sy ny fananarana ary ny fahazavan-tsaina.

24 Hifaly dia hifaly ny rain'ny marina, Ary izay miteraka zaza hendry hanampifaliana aminy. 25 Aoka ho faly ny rainao sy ny reninao, Eny, aoka ho ravoravo ny reninao izay niteraka anao.

26 Anaka, atolory ahy ny fonao, Ary aoka ny masonao ho faly mijery ny lalako
Na: Ary aoka ny masonao handinika ny lalako
;
27 Fa ny vehivavy jejo
Heb. vehivavy tsy vadiny
dia hady lalina, Ary ny vahiny janga lavaka etỳ;
28 Eny, manotrika toy ny jiolahy ireny Ary mahamaro ny olona mpivadika.

29 An'iza ny Indrisy? An'iza ny Endrey? An'iza ny fifandirana? An'iza ny fitolokoana? An'iza ny ratra tsy ahoan-tsy ahoana? An'iza ny maso mivoara-mena
Na: manjambena
?
30 An'izay mikikitra amin'ny divay, Eny, an'izay mandeha hanandrana divay voaharoharo zavatra. 31 Aza mijery ny divay noho ny hamenany Sy ny fanganohanony eo anaty gilasy
Heb. kapoaka
Ary ny fikoriany mahafinaritra;
32 Fa amin'ny farany dia hanaikitra toy ny bibilava izy Ary hanindrona toy ny menarana. 33 Koa ny masonao dia hijery vehivavy jejo
Heb. vehivavy tsy vadiny
, Ary ny fonao hieritreri-dratsy
Na: Ny masonao hahita zavatra hafahafa, Ary ny fonao hirediredy foana
.
34 Eny, ho sahala amin'izay mandry ao amin'ny ranomasina ianao Sady ho tahaka izay mandry eo an-tendron'ny andrin-tsambo. 35 Nokapohiny aho, hoy ianao, fa tsy reko naharary ahy, Nandalasiny aho, fa tsy tsaroako; Rahoviana ange aho no hifoha mba hitadiavako azy indray?

Copyright information for Mal1865