Psalms 110

Salamo 110

Ny haherezan'ny Mpanjakan'i Ziona, Izay sady Mpanjaka no Mpisorona

Salamo nataon'i Davida. Izao no lazain'i Jehovah amin'ny Tompoko: Mipetraha eo an-tanako ankavanana Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.

Ny tehin'ny herinao Havoak'i Jehovah avy ao Ziona; Manapaha eo amin'ny fahavalonao Hianao. Ny olonao dia mazoto manolo-tena amin'ny andro anafihanao
Na: andron'ny herinao
; Amin'ny fihaingoana masina, tahaka ny ando ateraky ny maraina ho Anao ny zatovonao.
Efa nianiana Jehovah ka tsy hanenina: Hianao no Mpisorona mandrakizay Araka ny fanaon'i Melkizedeka.

Ny Tompo eo an-kavananao Dia handripaka ny mpanjaka maro amin'ny andron'ny fahatezerany Hitsara any amin'ny jentilisa Izy ka hampiampatrampatra faty any; Handripaka loholona
Heb. loha
any amin'ny tany malalaka Izy.
Hisotro amin'ny ony any an-dalana Izy, Ka izany no hitrakan'ny lohany.

Copyright information for Mal1865