Psalms 150

Salamo 150

Haleloia farany

Haleloia. Miderà an'Andriamanitra eo amin'ny fitoerany masina. Miderà Azy eo amin'ny habakabaky ny heriny. Midera Azy noho ny asany lehibe; Miderà Azy araka ny haben'ny voninahiny. Miderà Azy amin'ny fitsofana ny anjomara; Miderà Azy amin'ny valiha sy ny lokanga. Miderà Azy amin'ny ampongatapaka sy ny dihy; Miderà Azy amin'ny zava-maneno tendrena sy ny sodina. Miderà Azy amin'ny kipantsona maneno; Miderà Azy amin'ny kipantsona tsara feo. Aoka izay rehetra manam-pofonaina samy hidera an'i Jehovah. Haleloia.

Copyright information for Mal1865