Exodus 3:5-10

5Ary hoy Izy: Aza manakaiky etỳ; esory ny kapanao amin’ ny tongotrao, fa tany masìna io ijanonanao io. 6Dia hoy koa Izy: Izaho no Andriamanitry ny razanao, dia Andriamanitr’ i Abrahama sy Andriamanitr’ Isaka ary Andriamanitr’ i Jakoba. Dia nisaron-tava Mosesy, fa natahotra hijery an’ Andriamanitra izy. 7Ary hoy Jehovah: Efa hitako tokoa ny fahorian’ ny oloko izay any Egypta, ary efa reko ny fitarainany noho ny ataon’ ny mpampiasa azy; eny, fantatro ny alahelony; 8dia efa nidina Aho izao hamonjy azy amin’ ny tanan’ ny Egyptiana ka hitondra azy hiakatra hiala amin’ izany tany izany ho any amin’ izay tany soa sy malalaka, dia any amin’ izay tany tondra-dronono sy tantely, any amin’ ny tanin’ ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita. 9Ary ankehitriny, indro, ny fitarainan’ ny Zanak’ Isiraely dia efa mby atỳ amiko, sady efa hitako koa ny fahoriana izay ampahorian’ ny Egyptiana azy. 10Koa avia ankehitriny ianao hirahiko ho any amin’ i Farao hitondra ny Zanak’ Isiraely oloko hivoaka avy any Egypta.
Copyright information for Mg1865