Psalms 112
Salamo abidy. Ny toetry ny olona marina sy ny mahasambatra azy
1Haleloia. Sambatra ny olona izay matahotra an’ i Jehovah Sady mankasitraka ny didiny indrindra. 2Hahery ambonin’ ny tany ny zanany; Hotahina ny taranaky ny marina. 3Fananana sy harena no ao an-tranony; Ary ny fahamarinany haharitra mandrakizay. 4Ao amin’ ny maizina no iposahan’ ny mazava ho an’ ny mahitsy; Mamindra fo sy miantra ary marina ireny ▼▼Na: Izy.
. 5Sambatra ny olona izay miantra ka mampisambotra; Tsy mba ho resy eo am-pitsarana izy. 6Fa tsy hangozohozo mandrakizay izy; Hotsarovana mandrakizay ny marina. 7Tsy mba manahinahy hahare loza izy; Tafatoetra matoky an’ i Jehovah ny fony. 8Voatohana ny fony, ka tsy hatahotra izy, Mandra-pifaliny mahita ny amin’ ny mpandrafy azy. 9Namafy izy, eny, nanome ho an’ ny malahelo; Ny fahamarinany maharitra mandrakizay; Hisandratra amim-boninahitra ny tandrony. 10Ny ratsy fanahy hahita ka ho sosotra; Hihidy vazana izy ka ho levona; Ho foana ny fanirian’ ny ratsy fanahy.
Copyright information for
Mg1865