Psalms 3

Ny fahatokian’ izay manana an’ Andriamanitra ho Mpiaro, na dia be aza ny fahavalony

Salamo nataon’ i Davida, fony izy nandositra an’ i Absaloma zanany.

1

2Jehovah ô, akory izato hamaroan’ ny mampahory ahy! Maro no mitsangana hanohitra ahy. 3Maro no milaza ny fanahiko hoe: tsy manam-pamonjena amin’ Andriamanitra izy. [Sela.] 4Kanjo Hianao, Jehovah ô, no ampinga manodidina ahy, Voninahitro sy mpanandratra ny lohako. 5Amin’ ny feoko no iantsoako an’ i Jehovah, ary any an-tendrombohiny masìna no mamaly ahy Izy. 6Izaho nandry ka natory; nifoha aho, satria Jehovah no manohana ahy. [Sela.] 7Tsy hatahotra olona alinalina aho, izay milahatra manodidina hamely ahy. 8Mitsangàna, Jehovah ô; vonjeo aho, Andriamanitro ô; fa efa namely ny takolaky ny fahavaloko rehetra Hianao; ny nifin’ ny ratsy fanahy novakivakinao. 9An’ i Jehovah ny famonjena; Ho amin’ ny olonao anie ny fitahianao
Na: Ho amin’ ny olonao ny fitahianao.
. [Sela.]
Copyright information for Mg1865