Psalms 34:12-16

12Avia, anaka, mihainoa ahy; ny fahatahorana an’ i Jehovah no hampianariko anareo. 13Na iza na iza ianao no maniry fiainana ka tia andro maro hahitana ny soa, 14Dia arovy ny lelanao amin’ ny ratsy ary ny molotrao mba tsy hiteny fitaka. 15Halaviro ny ratsy, manaova soa; mitadiava fihavanana, ka araho izany. 16Ny mason’ i Jehovah dia mitsinjo ny marina, ary ny sofiny mihaino ny fitarainany.
Copyright information for Mg1865